Seychelles : Misokatra ny sidina mankao Kazakhstan
Nisokatra ny herinandro lasa teo ny zotra « saisonnière » ampitohy an’i Mahé sy Almaty izay zotram-piarahamanidina voalohan’i Seychelles mankao Kazakhstan. Hatramin’ny 27 martsa 2023 io fifanarahan’ny Air Seychelles ao an-toerana io.
Manatontosa sidina 2 isan-kerinandro (alakamisy sy zoma) miainga ao Victoria ao amin’ny nosy Mahé makany amin’ny seram-piaramanidin’i Almaty. Misy ny « escale technique » ao Abou Dhabi mandritra ny sidina ary ny fiaramanidina Airbus A320Neo mahazaka mpandeha 12 ao amin’ny « classe Affaires » sy 156 ao amin’ny « classe Economie » no miasa amin’izany.
Faly amin’io lalam-baovao io ny nosy hoy ny tale mpisolo toerana vonjimaika ny Air Seychelles, Sandy Benoiton.
