ActualitésTsidika

Antsiranana : Manamafy ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina ny faritra.

Toerana hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana ny faritra Diana iny. Anisan’ny antony mahatonga izany ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina betsaka loatra. Araka izany dia manamafy ny ady amin’ny fandraisana ireny zava-mahadomelina toy ny « rôrô » sy ny « jamala » ireny ny ao amin’ny faritra. Nisy araka izany ny fivoariana izay niarahan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria sy ny tomponh’andraikitra tao an-toerana.

« Ny vokatry ny dinika moa dia ny fanafainganana ny fisorohana ny fandraisana ireo zava-mahadomelina ireo. Hatao izany hahafahana mampanjaka indray ny fandriam-pahalemana. Hatomboka amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana ny tanora izany », hoy ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria.

« Tokony samy mandray andraikitra avokoa na ny Ray aman-dReny, ny mpanabe sy mpampianatra, eo ihany koa ny mpitandro filaminana amin’ny fanabeazana ireo tanora ireo. Manana andraikitra vaventy amin’izany ny tsirairay. Miantomboka any amin’ny fahazazana anatin’ny fitaizana manko no hahafahana manabe ny ankizy tsirairay », hoy ny tompon’andraikitra fikambanana ho an’ny tanora iray.

Tsy vitan’ny fanabeazana ity asa mafy ity. Manana adidy amin’izany ireo ankizy. Anjaran’izy ireo no resy lahatra sy mandresy lahatra ny tenany ho amin’ny fialana amin’ny fidorohana ireny zava-mahadomelina ireny. Marihina mao fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ankehitriny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire