Dépêches

Tsena : Mampanantena ny fiverenan’ny Coca-Cola ny orinasa Habibo

Dépêche 08 juin, 14h, Misy sombim-panantenana ho an’ireo mpankafy ny zava-pisotro coca-cola eny amin’ny toeram-pivarotana Super U. Mampanantena ihany koa ny orinasa Habibo fa hiverina eto Madagasikara ity vokatra ity. Efa hita eny amin’ny Super U ny « cannette » Coca-Cola 300ml. Efa hita ihany koa ny Coca-Cola amin’ny tavoahangy plastika 500ml saingy ny fampahafantarana izany no mbola tsy dia misy. Araka izany dia ny orinasa Habibo indray izany no handray ny fanaparitahana ity vokatra ity eto Madagasikara miaraka amin’ny Fanta, Sprite, ary ny Schweppes. 

Laisser un commentaire