Analanjirofo: Akon’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa
16 Martsa, 12h45. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa. Manoloana izany dia nidina teny an-tsena tao Fenoarivo Atsinanana ny DRICC nanamarina ireo fitaovam-pandanjana ho fanamafisana ny fiarovana ny mpanjifa. Mizàna miisa 4 sy vato mizàna manodidina ny folo no hita fa tsy manaraka ny fenitra takiana ka nogiazina teo anivon’ny DRICC. Nitondra fanabeazana sy fampahafantarana mikasika ny Zo sitrahan’ny mpanjifa ary ny andraikitry ny mpisehatra ara-barotra rehetra manodidina ny fiarovana ny Mpanjifa ihany koa ireo tompon’andraikitra.
