ActualitésTatitra

France : Nivarotra fitaovam-piadiana tamin’i Russie hatramin’ny taona 2020 teo

Nanao fanatsikafonana ny haino aman-jery iray mampanatontosa izany antsoina hoe « Disclose » ary namoaka tsiambaratelo maro izay nisy voasokajy ho tsiambaratelom-piarovana na « confidentiel-défense ».Anisan’ny natsikafoan’izy ireo tamin’izany ny famatsian’i France an’i Russie fitaovam-piadiana teo anelanelan’ny taona 2015 sy 2020. Fitaovam-piadian’ny miaramila no fantatra fa nifanarahana tamin’izany, « détecteur infrarouge », « caméra thermique » ho an’ny « tanks » ary « système de navigation moderne » ho an’ny fiaramanidina mpandatsaka baomba.Fantatra tamin’io fanadihadiana io fa farafahakeliny 76 ny fahazoan-dàlana nanondrana fitaovam-piadiana na « licence d’exportation de matériel de guerre » nankao Russie nanomboka ny taona 2015. Ny orinasa Thales sy Safran izay iandraiketan’ny fanjakana frantsay kokoa no tompon’antoka voalohany ao amin’io fifanakalozana io ary fantatra fa tafiakatra 152 tapitrisa euros ny azon’izy ireo tamin’izany.

Laisser un commentaire