ActualitésTsidika

Fianarantsoa : Rava ny tamba-jotran’jiolahy

Voasambotry ny polisy ny sabotsy 21 Aogositra 2021 teo ny jiolahy miisa fito, malaza ratsy ami’ny fanaovana fanafihana sy asa ratsy ao amin’ny tananan’i Fianarantsoa.

Isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana mpandraraha ara-toekarena iray tao amin’ny fokontany Ambatovory-Ambalakely ny Alakamisy 12 Aogositra 2021 teo ireto jiolahy ireto. Fanafihana izay nahafatesana olona iray, raha ny vaovao dia maty lavon’ny balan’ireto jiolahy ireto ity olona ity.

Nankasitraka feno ny hetsika nataon’ny polisy ny mponina ao Fianarantsoa izay niaina tanteraka tao anatin’ny tsy fandriampahalemana nandritra ny taona maro. Mbola mitohy moa ny fanadihadihana mahakasika io tranga fanafihana mpandraharaha io.

Tsara hatrany ny hetsika fisamborana jiolahy toy izao, miantso hatrany ny mpitandro ny filaminana izy ireo mba hiambina sy hanara-maso ny fandriampahalemana ao amin’ny tanan’i Fianarantsoa.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire