Chine : Nisehoana fanafihana goavana tao amin’ny sekoly garabola iray tao an-toerana
Nisehoana fanafihana goavana tao amin’ny sekoly garabola iray tao Lianjiang omaly alatsinainy manodidina ny 7 ora sy 40 minitra tao an-toerana. Olona 6 no maty vokatr’izany izay nisy mpampianatra iray, ray amn-dreny roa ary mpianatra telo. Iray kosa no naratra nandritra izany raha ny tatitry ny mpitondra teny ny kaominina tao an-toerana.
Raha ny fanazavana dia lehilahy iray 25 taona nitondra zava-maranitra no nitarika ny fanafihana. Efa voasambotra moa ny tenany ary efa atao fanadihadiana. Marihana fa voarara ny fiazonana basy ao Chine, antony mampirongatra ny fanafihana miaraka amin’ny zava-maranitra indray izany hoy ny tompon’andraikitra.
