Etats-Unis : Moka « OGM » 2 000 tapitrisa no navotsitra hampienana ny moka mitondra aretina
Mirongatra ny « dengue » ao Etats-Unis. Aretina hafa toy ny tazomoka sy ny « chikungunya » ihany koa nefa no entin’ity biby ity. Mba hampienana ny ireo moka mitondra aretina dia nandroso vahaolana ankoatra ny fandrarahana odibibikely ny tompon’andraikitra ary nandroso hevitra ny famotsotra moka OGM na « organisme génétiquement modifié ».Efa nanao andrana nahitam-bokany izy ireo talohan’izany. Manoloana nahazo fahazoan-dalana namotsitra izany ny orinasa iray ao Amérique Oxitec. Moka lahy antsoina hoe « Aedes aegypti » mitondrana ny laharana miafina hoe « OX5034 » ireo navotsitra ireo. Mampihena an’isa ny moka ity paik’ady ity ary nanamfy ny Oxitec fa tsy mampihisy fiantraikana eo amin’ny tontolo iainana izany.
