ActualitésTatitra

France : Nihoatra ny 2 euros ny litatry ny « essence » sy ny « gasoil »

Tsy mitsaha-miakatra ihany koa ny vidin’ny solika ao France. Ny herinandron’ny 7 martsa teo dia tafiakatra ny 2 euros ny litatr’izany raha ny voalazan’ny minisitry ny tetezamita ekolojika. Niakatra avokoa hoy izy ny vidin’ireo solika fototra manoloana ny krizy ao Ukraine izay mamehy ny « pétrole brut ».Manoloana izany fiakarana izany dia nilaza ny praiministra Jean Castex fa hisy fihenam-bidy 15 centimes eny amin’ny paompy manomboka ny 1 aprily izao, ary haharitra efa-bolana izany fihenam-bidy izany.

Laisser un commentaire