Mivoaka ny vola fanampiana ho an’ny “mpampianatra tsy mpiasampanjakana” any amin’ny DREN Melaky
Na dia eo aza ny valan’aretina covid-19, misy hatrany ireo mpanabe izay manohy ny asany amin’ny fampianarana ireo kilasim-panadinana. Ho an’ireny mpampianatra ireny indrindra, nivoaka androany 18 may ny taratasim-bola na “bon de caisse” ho vola fanampiana (subvention) ireo mpampianatra ENF (Enseignants Non Foncionnaires) any amin’iny DREN Melaky iny. Ho an’ny roavolana faha-4, faha-5, faha-6 ary voalohany ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 ity nivoaka androany ity hoa n’ny farimpiadidiam-pampianarana Antsalova ary faha-5 sy faha-6 ary volohany ho any’ny taom-pianarana 2019-2020 kosa ho an’i Besalampy. Ho an’ireo ENF “non-subventionnés” izay tsy nahazo tamin’ity fanampiana ity, nanambara ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa efa eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana ny vola hoentina hanampiana azy ireo. Mpampianatra mahatratra 486 no hisitraka ity fanampiana ho an’ireo “non-subventionés” ity ao amin’ny CiSco Antsalova sy Morafenobe. Ireo mpampianatra izay mendrika fankasitrahana sy fankaherezana ihany koa amin’ny fahafohizan-tena hampianatra hatrany na dia eo aza ity valan’aretina ity.
Ally Herisoananahary
