SocialTsidika

Fivoriam-be mahakasika ny “financement economique africain”

Miara-miasa ireo firenena afrikana maro amin’ny ivoahana ao antin’ity krizy nateraky ny valan’aretina covid-19. Ao anatin’izany, notanterahina omaly ary mbola mitohy androany 18 may ny fivoriam-be mikasika ny famatsiam-bola ny toe-karena afrikana tao Paris renivohitr’i France. Miisa 20 ireo firenena afrikana manatrika izany ary anisany amin’izany, ohatra, i Rwanda, i Côte d’Ivoire, i Sénégal, i Egypte sy firenena afrikana maro. Fivoriana natao mba handinihana ny fomba hanarenana ny toe-karena afrikana izy ity ary anisany nanatrika izany ny secreteran’ny tahirim-bolam-panjakana Janet Yellen. Tsy isan’ireo firenena manatrika izany kosa anefa i Madagasikara. Inona no mety antony nahatonga izao fandinganana an’I Madagasikara izao ? Sa isika no efa tsy mila fanampiana intsony ? Nisafidy ny handeha irery fa tsy hiaraka amin’ny be sy ny maro fa efa mahavita tena ? Ny ankamaroan’ireo vahoaka izay efa tafalatsaka lalina ao anatin’ny tsy fisiana ka mampirongatra ny asa ratsy isan-karazany toy ny fakana an-keriny, fanaovana takalon’aina sy ny maro hafa.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire