ActualitésTatitra

Mexique : Novonoina nandritra ny fanomanana fifidianana i Abel Murrieta

Nizara ireny bokikely antsoina hoe “tracts” ireny niaraka tamin’ny ekipany amin’ny fampielezan-kevitra izy, no nisy olona mitam-piadiana nanatona azy moramora. Abel Murrieta, mpilatsaka ho fidiana ho ben’ny tanàn’i Cajeme ao amin’ny fanjakana Sonora, any avaratra andrefan’i Mexique no nisy namono ny alakamisy 13 may lasa teo. Tanàna iray feno olona sady fivarotana zava-mahadomelina no ity namonoan aza ity. Kandidà faha-32 amin’ny fifidianana mpanao lalàna amin’ny 6 jona izao izay lavon’ny balan’ny mpanafika indray izy io. Ao amin’ny “pays des narcos” (tanàna hanjakan’ny aferan-drongony), miezaka ny manamboatra ny isan’ny vato ho azony amin’ny alalan’ny famonoana ireo mpifaninana aminy ireo “cartels” (jiolahimboto manjaka amin’ny varotra rongony). “Tsy matahotra aho”. Io teny fanentanana nataony nandritra ny fampielezan-keviny io indray no nahafaty an’i Murietta. Mpisolo vava, 58 taona no sady mpampanoa lalàna tao Sonora teo aloha, nanome toky izy fa hifanehitra amin’ireo “mafia” ao an-toerana no izao lavo izao koa. Mpirotsaka avy ao amin’ny antoko Movimiento Cuidadano (MC) izy, bala folo no indray nahazo azy, ary ny iray nahazo ny lohany. Nandratra iray tamin’ireo namany ihany koa ilay mpanafika talohan’ny nandosirany.

Laisser un commentaire