Israël : Manohana ny fampijanona ny ady i Joe Biden
Nambaran’ny filoham-pirenena any Etats-Unis, Joe Biden, nandritra ny fifanakalozana nataony tamin’ny Praiministra israelianina ny alatsinainy 17 teo ny fanohanany ny fampitsaharana ny ady izay mihamitombo hatrany ny herisetra. Teo ambany faneren’ny antoko demokratika no nanaovan’ny filoha Amerikana ny fanambarana ny amin’ny fampitsaharana ny ady any Israël sy Hamas nandritra io fifanakalozan-kevitra io. Nitohy hatrany anefa ny daroka baomba sy ny fandefasana bala afomanga ny alina. Nanamafy ihany koa i Joe Biden ny amin’ny fananan’I Israël zo hiaro tena nandritra io fifananakalozana io ary nandrisika ny fanjakana hebreo izy ny mba hanao izay ezaka rehetra azo atao hiarovana ireo sivily tsy manna-tsiny araka ny tatitry ny fivoriana. Etsy an-kilany kosa, ny lehiben’ny mpiasa Amerikana, Mark Milley, nampitandrina an’I Israely izy ny alatsinainy teo ny amin’ny mety ho fihitaran’ny ady amin’ny Hamas mankany andafin’i Gaza ary nanamafy mihitsy fa “tsy misy olona liana amin’ny fanohizana ny ady”.
