Lalatiana Rakotondrazafy : Tokony hotazomina sa tokony esorina ?
Niteraka resa-be teo amin’ny tamba-jotran-tserasera ny resaka nifanaovan’ny mpitondra sy ny mpanao gazety ny alahady teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fifanakalozana tamin’ny alahady alina ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy. Betsaka ny zavatra niova teto amin’ny firenena hatramin’izay naha Minisitra azy izay. Lasa fahefana faharoa eto Madagasikara ny serasera ankehitriny, ary isany nahatonga izany izy. Noho izy avanana amin’ny firesahana sy mahay mandaha-teny indrindra no nisafidian’ny Filoham-pirenena azy ho mpitondra tenin’ny governemanta. Hita tamin’ireny resany ny alahady 2 may nandritra ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tao ao amin’ny fahitalavitra TVM sy ny onjampeo RNM ireny tokoa mantsy izany. Nanjary toa lasa mpisolovava mihitsy ny tenany ka na fanontaniana miampaika any amin’ny filoha aza dia izy no namaly azy. Akoatra izay dia manana andraikitra goavana nankinin’ny firenena taminy izy : ny ho renin’ny serasera. Izy rahateo moa mpanao gazety. Nanoloana izany indrindra no tokony niarovany sy nikarakarany ireo mpanao gazety namany ary tsy hijereny izay vondrom-politika voizin’ny mpanao gazety fa tokony eo anilan’ny mpanao gazety rehetra mandrakariva izy. Izany ve no zava-miseho ? Raha ny ady ho an’ny demokrasia no novoiziny fony izy mpanao gazety tsotra, ankehitriny kosa isan’ny tanana an-kavanan’ny fitondrana izy. Nampanjakainy ve ny demokrasia indrindra fa tamin’ireo mpanao gazety namany ? Nilaza izy fa kianjan’ny demokrasia ny eny Ambohijatovo ary tokony ho eny ho hanehoan’ny vahoaka ny heviny. Aiza izany ankehitriny ? Inona no nahazo ireo mpanohitra raha saika ho eny Ambohijatovo notarihana mpanao gazety ? Mbola ilaina ny hijanonany amin’izany Minisitera izany sa tsia ? Maro ny olona mankasitraka ny asany ; tsy vitsy koa ny mitsikera azy.
Nicole Rafalimananjara
