SportTsidika

Lalao fifanintsanana iraisam-pirenena ho amin’ny taranja baolina kitra

Voasokajy ho isan’ireo kianja ratsy sy tsy manara-penitra ny kianjan’ny Mahamasina teo aloha, ary voasazy tsy afaka handray lalao iraisam-pirenena intsony. Nanao fanambarana ny CAF androany fa anisan’ireo kianja manara-penitra aty Afrika ny kianjan’ny Barea Mahamasina ka afaka handraisana ny lalao fifanintsanana coupe du monde 2022 miaraka amin’ny Stadium Barikadimy Toamasina. Efa afaka mandray ny lalao ifanaovan’ny Barea amin’ny Ecureuils du Benin izay atao ny volana jona izao noho izany ity kianja Barea Mahamasina ity. Efa eo andalam-pamitana izany kianja izany moa ny fitondram-panjakana ankehitriny. Ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana coupe du monde 2022 moa no hotanterahina ao amin’ny kianja Barea Mahamasina sy kianja Barikadimy. Efa naniry ny hilalaovan’ny Barea tao amin’io kianja nasiam-panavaozana io moa ny fitondram-panjakana tamin’ny fifanintsanana CAN 2021 tamin’ny volana martsa teo, saingy mbola tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny CAF izy tamin’izany. Handray lalao iraisam-pirenena izany ny kianja Barea Mahamasina sy ny kianja Barikadimy Toamasina, izay anisan’ireo kianja lehibe eto Madagasikara. Tsy hitsanga-menatra intsony ve izany ny firenena manana ireo kianja ireo ?

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire