Misy fandaminana ny fiverenana an-tsekoly ho an’ireo kilasim-panadinana
Efa tapaka ny alahady 2 may lasa teo fa haverina an-tsekoly ireo mpianatra hanala fanadinana manomboka rahampitso Alarobia. Araka izany, mbola tsy nisy hatreto ny filazana fanemorana ireo fanadinam-panjakana ho amin’ity taom-pianarana ity ka ireo sekoly no mitady vahaolana ny amin’ny fomba hamitana ny fandaharam-pianarana ara-potoana. Tsy maintsy misy anefa ny fiovana raha ho an’ny EPP Soamandrakizay manokana noho ity farany natao toerana hitsaboana ireo mararin’ny Covid-19. Ho afindra eny amin’ny EPP Analamahitsy aloha ireo mpianatra hanala fanadinana ao amin’ny EPP Soamandrakizay, raha ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle ny Alatsinainy 3 may teo. Toy izany ihany koa ireo mpianatra hanala fanadinana avy ao amin’ny LTP Alarobia, miisa 500 eo ho eo, izay ho afindra eny amin’ny LTP Ampasapito, raha ny fanambarana nataon’ny tale ao amin’ity sekoly ity. Ny 10 may 2021 ho avy izao no hanomboka fianarana ireto mpianatra ireto. Nanambara ihany koa ny Ministry ny fanabeazam-pirenena fa hozaraina isam-bondrona ireo mpianatra ary hifandimby ny ora fakan-drivotra mba hisian’ny fanajana ny elanelana iray metatra, ary tsy mahazo miakatra an-tsekoly ireo ankizy voamarina fa nifanerasera tamin’ny olona voan’ny coronavirus. Hisy ihany koa ny fametrahana fitaovam-pidiovana ho an’ny ankizy, sy ny famendrahana ranom-panafody amin’ireo efitrano fianarana. Ny irariana dia ny hizoran’ny fanadinana araka ny tokony ho izy na dia ao anatin’ny tahotra sy tebiteby aza ireo ankizy sy ny mpanabe ary ireo ray aman-dreny amin’izao fotoana noho ity valan’aretina ity. Mila mailo ihany koa ireo ray aman-dreny rehefa handefa ny ankizy hianatra manoloana ireo fepetra hiarovana amin’ny coronavirus.
Ally Herisoananahary
