4 may : Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina
Olona mahafoy tena miady amin’ny afo, manome tanana hatrany manoloana ny loza isan-karazany toy ny tondra-drano, ny lozam-pifamoivoizana, ny fihotsahan’ny tany no antsoina hoe « mpamonjy voina ». Hiaro ny vahoaka sy ny tontolo manodidina azy no tena antom-pisian’izy ireo. Anio 4 may tokoa mantsy no andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireny. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpamonjy voina ary mahafoy ny ainy mihitsy aza hamonjena ireo mpiara-belona manoloana ny loza mianjady aminy. Raha ny eto Madagasikara manokana no jerena, hita fa mbola vitsy ny isan’ireo mpamonjy voina, hany ka manamora ny firedaredan’ny afo ary mety hahafaty olona haingana. Tsy ampy ny mpamonjy voina ka ireo vahoaka no miara misalahy aminy. Anisan’ny tena olana diavin’izy ireo ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana hamonjena haingana ny loza indrindra ny rano. Isan’ny tranga vao haingana izao ny haintrano teny Mandrosoa Ivato ny asabotsy 1 may hifoha alahady teo. May kila ny trano sy ny fananana tao anatiny ary olona 30 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana, hoy ny ben’ny Tanànan’Ivato, Penjy Randrianarisoa. Tsy hoe ny mpamonjy voina no tsy misy, fa eo ireo olana maro ara-teknika. Ilàna vahaolana araka izany ny mpamonjy voina eto amin’ny firenentsika, izay tojo fahasahiranana. Mila antsika tanora hanolo-tena amin’izany ny mpamonjy voina noho ny tsy fahampian’ny mpihantsehatra amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
