SocialTsidika

Androy : Nahazo fotodrafitrasa famatsian-drano

Ny rano no hita fa olana voalohany ho an’ireo mponina any amin’iny faritra atsimo iny. Efa betsaka ihany ny vahaolana naroso kanefa mbola tsy voavaha ny olana. Vahaolana maharitra araka izany no tena ilain’ny mponina any, ary fotoana izao hiantseharan’ireo manam-pahaizana Malagasy maro nandalina ny rano sy ny tontolony. Na izany aza anefa tsapa fa miezaka araka izay vitany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ankehitriny, miroso amin’ny fametrahana fotodrafitrasa ny governemanta izay tantanan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Fotodrafitrasa izay hahazahoan’ireo mponina rano fisotro madio sy rano ho an’ny fambolena legioma sy ny fiompiana any amin’ny Faritra Androy. Hatramin’ny taona 2020 no mankaty, lava-drano vaovao miisa 193 omban’ny fitaovana fitarihana no vita, 50 kosa ny lava-drano noavaozina, ary tambajotran-drano 5 no naorina. Fiaraha-miasa amin’ny UNICEF no nanatanterahana izany, ary eo ihany koa ny fiombonana ezaka amin’ny Ministeran’ny fambolena, ny fiompiana, ary ny jono, eo aniovon’ny fandaharan’asa DEFI (Fampiriborobona ny sehatra fambolena sy fiompiana). Vita ankehitriny ny tamba-jotra ao Evaho, (Kaominina Ambanivohitry i Sihanamaro), ny ao Tsiabetsaka (KA Jafaro), Antanile (KA Manombo), ary ny ao Ankilimaso Ambany (KA Mikaiky Arivo Ambatomainty). Mamatsy rano fisotro madio ho an’ny mponina, amin’ny vidiny tena mirary, ireo tambajotra ireo, no koa mitondra ny rano ilaina amin’ny fanondrahana ny voly legioma sy ho sotroin’ny biby fiompy ; ity lafiny ity dia manampy ny isam-pianakaviana hanitatra ny vola miditra aminy, no sady manatsara sy miantoka ny eo amin’ny ara-tsakafo. Olona sahabo ho 43000 no misitraka rano fisotro madio amin’izao fotoana izao. Etsy an-danin’izany dia toeram-pambolena legioma miisa zato no hahazo rano, miainga avy amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, amin’ny volana jolay ho avy izao no ho vita io, ary mbola hitombo isa izany mialohan’ny faran’ny taona. Mpandraharaha matihanina tsy miankina no miandraikitra ny fitsinjarana ny rano, ary ny fitantanam-paritra miadidy ny rano, ny fanadiovana, sy ny fidiovana, no miadidy ny fahatezan’ny rafitra sy ny tolotra. Mety hahavaha amin’ny ampahany ny olan’ny rano izao fa mila mitohy hatrany anefa ny fikarohana, eo ihany koa ny fanabeazana ny mponina hikajy izay efa napetraka. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire