Europe : Mila manao vaksiny izay mikasa hiditra ao anatin’ny sisin-tany
Nanolo-kevitra ny komisionina Eoropeanina ny amin’ny hamelana ireo mpandeha avy any amin’ny firenena hafa izay efa nihatsara ny toe-draharaha mikasika ity valan’aretina ity fa ihany koa ireo izay efa vita vaksiny fanefitry ny covid-19 nahazoana alalana avy amin’ny vondrona Eoropeanina. Tokony nahazo io vaksiny io 14 andro farafahakeliny mialohan’ny nandehanany ireo mpandeha ireo. Afaka manaparitaka izany fahazoan-dalana izany ho an’ireo olona efa nahazo ny vaksiny mba ho fankatoavana vonjy maika avy amin’ny OMS ireo firenena mpikambana.
