SocialTatitra

Etats-Unis : Vonona hanome alalana ny fanjifana sy ny fampiasana ny « cannabis » ny mpitondra ao New York

Mitaintaina ny mpanolo-tsaina ao amin’ny lapam-panjakana ao Etats-Unis manoloana ny firongatry ny aretina coronavirus indray ao an-toerana. Nanambara izy fa mety ny fanafoanana aloha loatra ny fepetra mifehy ny valanaretina amin’ireo fanjakana sasantsasany ao an-toerana no antony lehibe nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny olona marary amin’izao fotoana izao. Maro arak’izany ireo olona tsy ho an’asa indray ao an-toerana raha tsy maintsy mamerina ny fihibohana i Washington ohatra. Isany manosika ireo mpitantana amin’ny ambaratonga samihafa hanaiky ny fanomezan-dalana ny fampiasana ny “cannabis” hitsaboina ao Etats-Unis. Hahazoam-bola manodidina ny 350 dolara (ao ho ao amin’ny 1 400 000 ariary) isan-taona ny hetran’ny fampiasana azy io hoy ny governora Andrew Cuomo. Hamorona asa maromaro ho an’ny mponina ihany koa izany hoy hatrany izy. Afaka manjifa ny “cannabis” avokoa ireo olona 21 taona no ho miohatra ary afaka mamboly izany any amin’izy ireo tsirairay avy. Io no voarakitr’ilay lalàna andalam-panekena.

https://nypost.com/2021/03/24/new-york-officials-reach-agreement-to-legalize-marijuana/

Laisser un commentaire