Pakistan : Manodidina ny 60 ny olona maty noho ny fipoahana tao amin’ny tranom-pivavahana islamo iray
Nisehoana tranga fampihorohoroana tao amin’ny tanànan’i Peshawar, ao avaratra-andrefan’i Pakistan ny alatsinainy teo. Toeram-pivavahana iray tao amin’ny foiben’ny polisy no nisehoana fipoahana goavana nahafaty olona 61 isa raha ny tatitra. Tamin’ny fotoam-pivavahana mihitsy no niseho ny tranga raha ny fanamafisana ary olona 150 hafa ihany koa no naratra nandritra izany.
Rava nandritra io fampihorohoroana io ny rindrindra sy ny tafon’ilay mosquée nisehoan’ny loza. Mpamonjy voina maro noho izany no tonga nanala ireo olona tototra tao anatin’izany hoy lehiben’ny polisy tao an-toerana Muhammad Ijaz Khan. Fotoana vitsy taorain’ny tranga dia nanao fanambarana ny praiminisitr’i Pakistan, Shehbaz Sharif fa « izay miady amin’i Pakistan dia hofongorana tsy ho eto ambonin’ny tany ». Raha ny ahiahian’ny polisy kosa hatreto dia lehilahy teratany Afghan no nanao io fihetsika fampihorohoroana io.
