ConseilTsidika

Torohevitra: Fomba fikojana ny fahasalaman’ny sofina

Anisan’ireo taova manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’olombelina ny sofina. Izy no anisan’ny mameno ny retsika dimy izay mamaritra ny olona iray (organe de sens). Zava- poana ary tsy tomombana araka izany ny olona iray raha ka misy olana amin’ny taovam-pandrenesana.

Tahaka ireo taova rehetra amin’ny vatana, dia tena mila tandrovana sy fikojana ny fahasalaman’ny sofina. Izy dia tsy hitan’ny maso ka tsy tokony atao ny mikitikitika ary sy misikotsikotra ny any anatiny any, indrindra amin’ireo fitaovana voalaza ho fanadiovana sofina (coton tige). Tsara anefa ny manadio azy indray mandeha isan’andro, rehefa manasa tarehy iny.

Mila fadina ihany koa ny mametaka fitaovana manery ny sofina toy ireny fitaovana fihainona hira ireny. Anisan’ny mahatonga ny sofina ho reraka ka mamorona tain-tsofina manentsina azy izany. Toa izany ihany koa ny fihainona hira mafy loatra. Farany dia tokony arovana amin’ny rano ny sofina. Rehefa milomano na manasa loha dia tsara tapenana ny sofina. Anisan’ny miteraka aretin’ny sofina raha tafiditry ny rano any anatiny any.

Manitra R.

Laisser un commentaire