Comores : Chamsia Moindjié, vehivavy voatendry ho « Consule Générale » tao an-toerana
Voalohany tao amin’ny Union des Comores no nisy vehivavy voatendry « Consule Générale ». I Chamsia Moindjié no vehivavy hisantatra izany andraikitra izany voalohany ary hiasa ao Tunisie. Raha tsiahivian dia taorian’ny seminera tao Moroni nitondra ny lohahevitra hoe « »ur la redynamisation de la plateforme, femmes en politique de l’Océan indien ? » no noraisan’ny fitondram-panajakana io fanampahan-kevitra io.
Maro kosa ireo nakatoa io fanenedrena vehivavy io indrindra ireo vehivavy voalohany nisehatra teo amin’ny politika. « Mankasitraka ny fanendrena an’i Chamsia Moindjié aho ary miarahaba azy. Fisondrotana ho azy sy ny vehivavy rehetra izany » hoy i Moinaécha Mroudjae, filohan’ny « Plateforme des femmes en politique » ao Comores. Io fanendrena io dia tokony horaisina amin’ny fanantenana lehibe izany mariky ny faniriana hampiroboroboana ny vehivavy sy hiantohana ny fandraisany anjara amin’ny sampana fanampahan-kevitra hoy kosa ny minisitry ny raharaham-bahiny, Imam Abdillah.
