Dépêches

Fampianarana : Miisa 930 ireo mpianatra avy amin’ny ENS raisina ho mpisam-panjakana

Dépêche 31 janvier, 15h, Nanambara ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fanabezam-pirenena fa miisa 930 ireo mpianatra nivoaka avy amin’ny ENS no horaisina ho mpiasam-panjakana. Avy amin’ireo faritra miisa 4 ahitana ny ENS (Antananarivo, Toliara, Fianarantsoa ary Antsiranana) dia hisy horaisina avokoa. Miisa 784 ireo izay nahazo ny mari-pahaizana CAPEN sy MAPEN ary 146 ireo LAPEN ho raisina amin’izany. Efa niaraka tamin’izany fanambarana izany ihany koa ireo toerana izay hiasan’izy ireo izay samy hanana ny safidiny moa amin’izany. Noho ny fangatahan’ireo mpianatra ireo ihany no nanomezana izao valiteny izao. 

Laisser un commentaire