Dépêches

Anosy : Polisy Monisipaly miisa 97 no nanao fianianana

15 Martsa, 11h00. Polisy Monisipaly miisa 97 no nanao fianianana omaly, teo amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy. Natao mba hahafahany manatanteraka amin’ny antsakany sy andavany ny adidiny amin’ny fanaraha-maso ny lalam-bahoaka, ny fivezivezen’ny mponina, ny fahadiovana sy ny filaminana izany.

Mitondra ny anarana hoe « Kintana » ity andiany ity izay nahavita ny fiofanany tamin’ny 15 Janoary teo. Miisa 2 ny fianianana nataony, araka ny sata mifehy azy. Voalohany ny fianianana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny valalabe mandry mba hanatontosany amin’ny antsakany sy andavany ny andraikiny amin’ny maha polisy monisipaly azy. Faharoany ny fianianana eo anatrehan’ny fitsarana amin’ny maha « Agent verbalisateur » azy.

100 no isan’izy ireo tany am-piandohana, 3 no tsy nahafeno ny fepetra notakina ka 97 no sisa, izay misy vehivavy 10.

Laisser un commentaire