Dépêches

AMBATOFOTSY: Tambazotran-jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary

15 Martsa, 10h00. Tamba-jotra andian-jiolahy mitam-basy nisy lehilahy telo sy vehivavy iray no sarona niaraka tamin’ny basy fampiasany. Nandeha teny amin’ny kaominina Ambatofotsy ny kapiteny Kaomandin’ny Vondro-tobim-paritry ny zandarimaria Antananarivo-Renivohitra nitarika ny fisafoana rehefa naheno vaky trano teny an-toerana. Lehilahy iray antsoina hoe « Roméo », ahiahiana ho tompon’antoka tamin’izany, no efa voasambotry ny zandary ao amin’ny Poste Avancé Ambatofotsy, ary efa voafonja teny Antanimora noho ny raharaha fakana an-keriny.

Ny fikarohana sy ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa misy mpiray tendro taminy, izay efa natolotra ny fampanoavana ny 14 martsa teo ka efa naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny roa raha eny Antanimora kosa ny roa ambiny.

Laisser un commentaire