Dépêches

Jirama : Efa miditra tsikelikely amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny herinaratra.

Dépêche 18 octobre, 11h, Efa ny 60% ny asa no vita tamin’ny fanamboarana ny milina mamokatra herinanaratra ny faran’ny herinandro lasa teo. Andalam-pamitahna ny “groupe” faha efatra amin’izao fotoana izao raha efa miasa kosa ilay “groupe” faha3 izay efa mitondra tanjaka herinaratra 90MW. Hiena araka izany ny fahatapahanjiro izay novinavinaina nandritra iny faran’ny herinandro teo iny. Rehefa ampy ny tosiky ny rano dia hiasa ity milina faha4 ity ka hahatratra 120MW izany ny tanjaka ny herinaratra hamatsiana ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo. Hahitana fikorontanana madinika ny famatsiana rano sy jiro saingy tena hiena farany ambany izany mandritra ny mahatomombana tsara ny milina miasa rehetra.

Laisser un commentaire