Sakafo : Tsara ny mofomamy mangahazo
Betsaka ny azo hikarakarana ny mangahazo. Eto dia hanamboatra mofomam y mangahazo isika. Betsaka ny taharo ilaina amin’izany.
Mila mangahazo voakiky 1,5kilao, siramamy 400g, ronono 0,25l, hanitra vanille na canelle. Afangaro izy rehetra miaraka ireto. Atsonika ny siramamy 100g. Lalorina amin’ny moule efa nasiana dibera ny sisiny. Arotsaka ao ny anatin’ilay moule ny mangahazo efa nafangaro teo aloha. Atao ao anaty lafaoro mandritra ny ora iray ny sakafo dia vita ny mofomamy mangahazo.
Sakafo matsiro izy io, ary efa betsaka ireo trano fisakafoana mihaja mivarotra azy ity.
Nicole Rafalimananjara
