ActualitésTsidika

Marolambo : Nisitraka fanampiana

Namangy sy nitafa nivantana tamin’ny vahoakan’i Marolambo ny filoham-pirenena Malagasy. Nisitraka vatsy tsinjo sy fitaovana hafa ilain’ny vahoaka indray i Marlambo.

« Efa nambara fa ampiasaina hanampiana ireo toerana saro-dalana sy ny ravan’ny rivodoza ny angidimby nomen’ny mpiara-miombon’antoka. I Marolambo no nisatarana izany tamin’ity andro ity » hoy ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika. « Tsy maintsy amboarina ny lalana hamoahana ireo vokatra toy ny lalana Marolambo-Antanifotsy sy ny lalana Marolambo-Mahanoro ho fampandrosoana ny tanàna. Ho atao laharam-pahamehana ihany koa ny fanamboarana haingana ireo fotodrafitr’asa potiky ny rivo-doza Batsirai sy Emnati ho an’ny kaominina Sahakevo » hoy ny Filoham-pirenena.

Hotaterina amin’ny angidimby ireo fanampiana sy ireo fitaovana entina manarina ireo foto-drafitr’asa toy ny sekoly simba any an-toerana. Ao anatin’ny fanarenana ireo simba sy rava noho ny fandalovan’ny rivo-doza isika amin’izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire