ActualitésTatitra

Mexique : Lehilahy roa voarohirohy ho namono mpivady frantsay

Mpivady frantsay iray no tsy hita nanomboka ny tapaky ny volana septambra teo tao Mexique. Nitoetra tao Valladolid, tanàna ao amin’ny fanjakan’i Yucatan izy ary nanomboka tsy nanome vaovao ny fianakaviany intsony tamin’io daty io. Ny 12 septambra no naharay hafatra nampiahiahy farany tamin’izy mivady ny rahavavin’ilay vehivavy, Nawel Madjour.

Nampandrehy ny manam-pahefana ny fianakaviana ary ny 5 oktobra teo no nohamafisin’ny manam-pahefana ny tsy fahitana an’i Assya Madjour, 50 taona sy i Michel Amado, 57 taona. Hita tao amin’ny « auberge » iray nikasan’izy mivady nanaganana hotely kosa ny fatin’izy ireo ny tapakin’ny volana oktobra tany. Lehilahy roa kosa no efa nosamborin’ny manam-pahefana tao an-toerana ny 6 novambra teo momba io raharaha io.

Laisser un commentaire