ActualitésTatitra

Monaco : Vehivavy iray nanome « tendon rotulien » ho an’ny zanany vavy

Voalohany teo amin’ny amin’izao tontolo izao no nisy fandidiana sy famindrana « tendon rotulien ». Vehivavay iray 55 taona no nanome ny zanany vavy 20 taona ny « tendon rotulien ». Mpilalao Rugby io zanany vavy io ary efa niatrika fandidiana maro nohon’ny fahatapahan’ny « ligament croisé antérieur ».

Tao amin’ny Institut de médecine et de chirurgie du sport tao Monaco no notontosaina io fandidiana io. Marihana fa voarara ao France izany famindrana « tendon rotulien » izany. Samy hivoaka salama tsara izy mianaka ireo hoy ny profesora Christophe Trojani. Mila manao fizahana sy IRM isakin’ny roa volana kosa nefa izy ireo mba hanarahana maso ny fivoaran’ny fandidiana.

Laisser un commentaire