ActualitésTatitra

Etats-Unis : Hiverina hisokatra ny sidina iraisam-pirenena

Tsy mihatra amin’ireo olona efa vita vaksiny intsony ny fepetra nandrara ny fivoahana sy ny fidirana ny firenena napetraka tamin’ny volana Martsa 2020. Azo atao izany manomboka amin’ny fiandohan’ny volana novambra izao. Mila mitondra porofo kosa nefa fa tena vaksiny tokoa izay mikasa hanatanteraka izany. Ankoatra izay dia tsy maintsy manao fitiliana ihany koa ireo olona ireo, 3 andro alohan’ny handraisany ny sidina ary tsy maintsy manao arovava hoy ny mpandrindra ny ady amin’ny valan’aretina ao an-toerana, Jeff Zients tao amin’ny lapam-panjakana.Ny vaksiny Pfizer/BioNTech, Moderna ary Johnson&Johnson (Janssen) kosa no eken’ireo masoivoho any Etats-Unis ho an’ireo mikasa hiazo ny firenena. Nangataka ny hampidirana ny AstraZeneca ao amin’io lisitra io kosa i Thierry Breton, mpandrindra ny famatsiana vaksiny ao amin’ny Union Européenne. An-tapitrisany hoy izy ireo Européen sy Britannique vita io vaksiny io. Mbola ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana kosa nefa no afaka mamaritra izany hoy Jeff Zients.

Laisser un commentaire