CultureTatitra

France: Namoaka fanambarana mandràra ny famonoana ondry, ao anatin’ny fanomanana ny Aid-el-Kébir, ireo tomponandraikitra

Mafana ny toe-draharaha eo amin’ireo tomponandraikitry ny finoana silamo sy tomponandraikitry ny tanàna ao Alpes-Maritimes, any Nice France amin’izao fotoana, manoloana ny fanomanana ny fankalazana ny fety silamo Aid-el-Kébir, izay afaka herinandro vitsivitsy. Araka ny fanazavana, dia nandrara ny ampiasana ireo toerana famonoana ireo ondry, mandritra ity fankalazana ity ireo tomponandraikitry ny tanàna any an-toerana. Ankoatra izay, dia norarana ihany koa ny fitaterana ireo ondry hiditra ny faritra. Efa nanomboka ny taona nisian’ny valan’aretina covid, no tsy nahazo nampiasa ireo toerana famonoana ondry intsony ireo mpino. Marihina moa fa ondry an-jatony maro no miara-vonoina ao anatin’izany fotoana izany.

Laisser un commentaire