ActualitésTatitra

Danemark : Nisehoana fifampitifirana tao Copenhague

Lehilahy roa nitam-piadiana no nitarika fifampitifirana tao amin’ny trano lehibe iray tao amin’ny tanànan’i Christiania ao Copenhague ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray, 30  no namoy ny ainy vokatr’izany raha efatra kosa no naratra ary ny iray amin’ireo dia eny amin’ny toeram-pitsaboina vonjimaika.

Marihana fa toerana misarika mpizaha-tany maro mahatratra hatramin’ny 1 tapitrisa isan-taona eo i Christiania izay toerana tokana ao Danemark mivarotra rongony ara-dalàna. Efa hatramin’ny taona 2004 no nomen’ny manam-pahefana ny alalana mivarotra « haschich » ao an-toerana. Isany antony mitarika herisetra ao an-toerana izany dia mahalana aza.

Toerana tsy hisehoan’ny herisetra mitam-piadiana firy i Danemark raha ny fanamafisana. Mbola tsy hita kosa ireo lehilahy roa nahavanon-doza saingy mitohy ny fikarohana ao an-toerana.

Laisser un commentaire