Maurice : Manomboka androany ny hetsika Career and Learning Lounge
Manomboka androany 1 septambra ny hetsika Career and Learning Lounge andiany fahatelo izay tontosaina ao amin’ny Caudan Arts Centre ao Port-Louis. Maharitra roa andro izany hetsika izany izay hanomezana vahana ireo mitady asa sy maniry ny hanohy fianarana any Canada.
Firenena malaza amin’ny fandraisana vahiny, fahasamihafan’ny kolontsaina ary ny fahalalahany ara-toekarena i Canada. Isan-taona dia mpifindra monina avy amin’ny firenena maro no tonga miasa, mianatra na mitsidika ny fianakaviany ao an-toerana saingy sarotra hy fikarakarana ny antontan-taratasy. Isan’ny teboka iray lehibe mandritra ny hetsika amin’ny alalan’ny Arrivals Canada Immigration ihany koa ny famahana izany.
Manampy amin’ny fanamorana ny fifindra-monina izy ireo ary hanome fahafahana ny mpitsidika hihaona mivantana ary maimaimpoana amin’ireo manam-pahaizana momba ny fifindra-monina ao Canada.
