Ankadikely Ilafy: Miantso ny mpitia ny taranja Basket-ball handrafitra ny ekipan’ny kaominina
Hanomboka tsy ho ela ny lalao fifaninana Basket-ball, eto amin’ny distrika Avaradrano. Samy efa manomana izany avokoa, indrindra fa ireo ekipa handrafitra ny mpilalao ny kaominina sasan-tsasany amin’izao fotoana. Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana, efa mandeha ny fampilazana sy ny fiantsoana ireo mpitia ity taranja Basket-ball ity.
“Mba ahafahana miomana amin’ny fiatrehana ny lalao basket-ball, izay karakarain’ny distrika Avaradrano, dia hisy ny fifantenanana ireo mpilalao handrafitra ny ekipan’ny kaominina Ankadikely Ilafy rahampitso. Ka noho izany indrindra dia antsoina ireo mpitia ity fanatanjahan-tena ity, lahy sy vavy sokajy Senior, manerana ireo fokontany 18, ho avy hanatrika izany fifantenana izany” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Anisan’ny taranja ankafizin’ny tanora amin’izao fotoana ny taranja basket-ball. Ny distrika ihany koa dia miezaka manome vahana ireo lalao ara-panatanjahan-tena rehetra mba hanomezana lanja ny tanora ka izay no antony hikarakarana ireo karazana fifaninanana ireo” hoy ny avy amin’ny fikambanan’ny distrika.
Rahampitso alarobia, eny amin’ny kianja filalaovana Baskety, an’ny kaominina ihany moa no hanatanterahana ity fifantenenana ity, izay hanomboka amin’ny 02ora tsy diso. Marihina moa fa ny fifaninanana karakarain’ny distrika dia hanomboka amin’ny 02 septambra izao.
Manitra R.
