ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Mpangalatra iray tratra am-body omby teo ampanaovana asa ratsy

Lehilahy iray no tratra am-body omby teo am-panaovana ny asa ratsiny ny marain’ny alahady teo, tao amin’ny fokontany Antanety Avaratra, kaominina Ankadikely Ilafy. Paik’ady nataon’ny mponina nentina namandriana ireo mpanao ratsy no nahatratrarana ity lehilahy ity, raha ny voalaza

 » Efa maro loatra tato ho ato ny trangana tsy fandriam-pahalemana teto an-tanàna. Anisan’ny mahatonga izay, efa be dia be ny olona miditra eto ary betsaka ihany koa ny trangana fahaverezana miseho ka nahatonga ny paik’ady hanatratrarana ireo mpanao asa ratsy ireo » hoy ny avy amin’ny fokontany.

 » Ny tena olana amin’ny trangam-piaraha-monina tahaka izao, mihatanora loatra ireo miroso amin’ny fanaovana asa ratsy eto an-toerana. Mety ho betsaka ny antony mahatonga izany kanefa tena manimba ary mampalahelo ny ho avin’ny tanora » hoy i Rafidy, mpandinika fiaraha-monina.

Maro ny antony mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika amin’izao fotoana izao, izay amin’ny ankapobeny dia ny tanora no mpanao azy. Mety noho ny tsy fahampian’ny asa tokoa ve no mahatonga izany sa ny hakamoana sy ny tsy fahampian’ny fanentanana avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny?

Manitra R.

Laisser un commentaire