ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nisy ny fivoriana voalohany niarahana tamin’ny RIF

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana voalohany nataon’ny RIF (Rafitra Ifotony Fikaonandoha) na ny SLC, niarahana tamin’ireo tomponandraikitra, miadidy ny kaominina Sabotsy Namehana. Fampahafantarana ny vola niditra sy nivoaka no niseho nandritra izany, araka ny voalaza.

« Tontosa tamin’izao fivoriana izao ny fampahafantarana ny mahakasika ny vola niditra sy nivoaka, tao anatin’ny kaominina. Nitarika izany ny ben’ny tanàna eto an-toerana Andriamosa Avotraina » hoy ireo tomponandriakitra avy amin’ny kaominina.

« Nahaliana ireo nanatrika ny fanazavana, ary mba hisian’ny fangarahana tanteraka, dia nozaraina tamin’ny mpanatrika rehetra ny mahakasika izany. Ankoatr’izay moa dia nisy ireo fanontaniana napetraky ny mpanatrika, ary namaly izany ny mpitanana ny kaominina » hoy hatrany ny fanazavana.

Zava-dehibe eo amin’ny lafin’ny fitantanana ny fampahafantarana ny mahakasika ireo zava-misy, indrindra fa ny lafin’ny ara-bola mba hampangarahara ny fitantanana. Tsy ho an’ireo tomponandraikitra mpitantana ihany no tokony hizarana izany, fa eo ihany koa ireo rafitra velona ao anatin’ny kaominina.

Manitra R.

Laisser un commentaire