Train Urbain Antananarivo: avaozina sy amboarina ireo lalamby ho fampandehanana ny zotra
Araka ny fanambarana dia hisokatra ny faha-15 Aogositra ho avy izao ny zotra “Train Urbain” eto Antananarivo izay hampitohy an’i Soarano sy Ambohimanambola. Ho fampandehanana ny zotra dia miditra amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ireo lalamby teo aloha ny tompon’andraikitra ankehitriny. Ahitana fanavaozana avokoa ireo lalamby rehetra toy ny eny Anosibe satria hita ho efa tonta sy misy fahasimabana.
“ Koa satria efa hanomboka hisokatra indray ny zotra an-dalamby eto Antananarivo dia miroso amin’ny fanavaozana ny lalamby isika. Efa tonta mantsy raha ny fotodrafitrasa efa tamin’ny fanjanahan-tany no mbola ampiasain-tsika amin’izao fotoana izao. Araka ny fandaharam-potoana izay napetraka dia ho vita mialohan’ny faha-15 Aogositra ho avy izao ny asa rehetra satria io ny fotoana voatondro hanombohan’ny fiasan’ny zotra.” Hoy ny tompon’andraikitry ny fanamboarana.
“ Ny fisokafan’ny “train Urbain” dia hanampy amin’ny famahana ny olan’ny fitanterana eto Antananarivo satria mahazaka olona maro izy mihoatra ny fiara mpitatitra. Isika rahateo koa efa manana fotodrafitrasa afaka ampiasaina amin’izany ka rariny loatra raha averina indray ny lamasinina ho fitanterana eto Antananarivo”. Hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny fitanterana.
Amin’izao fanombohany izao dia zotra tokana ihany no misy ho an’ny “Train Urbain” saingy voalaza kosa fa tsy hijanona hatreo izy ity fa mbola hihitatra. Ity karazana zotra iray ity dia anisany be mpampiasa indridra any amin’ireo firenen-dehibe any ivelany raha toa kosa ka amin’izao fotoana izao no hanomboka azy isika eto Madagasikara .
Miranto Andriharisoa
