Sabotsy Namehana : Mikorontana noho ny tsy fandriam-pahalemana
Mikorontana tanteraka ny kaominina Sabotsy Namehana noho ny tsy fandriam-pahalemana. Tsiahivina fa efa nisy fotoana tsy nilamina toy izao ihany koa ny fahandriham-pahalemana tany an-toerana.
Mitaraina mafy ireo mponina, indrindra ireo monina ao Ambolotara midina Antsahatsiresy. Tsy milamina intsony ary lasa mitaintaina lava hoy izy ireo, lasa manjaka ny fanendahana, ny vaky trano ary ny halatra maro. Raha nisy fivarotana novakian’ireo olon-dratsy ny 28 aogositra lasa teo dia vato aratra ana-fiara indray no nangalarin’izy ireo ny alin’ny alatsinainy 29 aogositra lasa teo.
Manao antso avo amin’ireo mpitandro filaminana ireo mponina. Mila mitandrina hatrany.
#sary fanehoana
Famenontsoa Rajerison
