Anjeva Gara : Mila tosika ireo tantsaha, indrindra eo amin’ny famoahana ny vokatra
Voasokajy ao anatin’ny Kaominina ambanivohitra ny kaominina Anjeva Gara ao anatin’ny Distrikan’Avaradrano. Mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanaovana taozavatra ny ankamaroan’ny mponina any an-toerana kanefa misedra olana tokoa indrindra eo amin’ny famoahana ny vokatra.
« Mamboly tokoa ny mponina saingy ny hamarotana ny vokatra avy eo no tena olana goavana izay, eo indrindra no tena ilainay fanohanana avy amin’ny tompon’andraikitra satria tena miankina amin’io ny fiveloman’ny mponina aty » hoy i Jerry, mponina any an-toerana. « Na ny masomboly aza dia tena ilaina fanohanana avy amin’ny fitondrana sy izay rehetra afaka manampy mba hanosehana hatrany ny tantsaha, eo ihany koa ny fampiofanana ho azy ireo ho entin’izy ireo mihary sy manatsara hatrany ny kalitaon’ny vokatra » hoy i Gaston, mpandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra. « Tantsaha ny ankamaroan’ny mponina eto Madagasikara saingy hita fa ny tantsaha no ratsy tosika indrindra amin’ny sehatra rehetra ary izay no tena tsy mampandroso ny firenena » hoy i Liantsoa, mpianatra mikasika ny fambolena sy ny fiompiana eny amin’ny Oniversite Antananarivo. Tsy ampy tokoa ny tosika omena ny tantsaha kanefa io no sehatra tokony handroso indrindra eto amintsika, tsy mitsaha-mitaraina ny mpamboly sy mpiompy manerana ny nosy amin’izao fotoana izao. Inona no vahaolana ? An’iza ny andraikitra ?
Nicole Rafalimananjara
