ActualitésTsidika

Masindray : Iza no tena tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny hiram-pirenena ?

Tsy vitsy ireo mpianatra eny amin’ny EPP tsy mahay ny hiram-pirenena hatramin’ny farany akory mandritra ny ora fampiakaran-tsaina toy ny nitranga tao amin’ny EPP Antsaharoaloha, kaominina Masindray.

Efa amin’ny andiny faharoa sy fahatelo no tena nampikasto ireo mpianatra hany ka gaga sy nalahelo ireo mpandalo. « Nandalo teto amin’ny EPP aho, nijanona sy nihaino ny hiram-pirenena satria izay rahateo no fomba kanefa tsy hain’izy ireo ny hiram-pirenena, iza loatra no tena tompon’andraikitra hampianatra izany ny ankizy ? » hoy i Nomena, mponina ao Masindray. Esty an-kilany nilaza anefa i Anja izay mponina any ihany koa fa « tsy ny mpampianatra na ny ZAP irery no tompon’andraikitra hampatsiahy ny ankizy ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana amin’ny alalan’ny hiram-pirenena fa eo ihany koa ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina ka samy tompon’andraikitra isika rehetra raha mikatso ny fanabeazana ».

« Na isika lehibe aza misy tsy mahay fa izay mba mahay aloha no mampianatra na iza izy na iza » hoy i Georgette, mpampianatra eny amin’ny Lisea. Tsy ny mpampianatra irery tokoa no tena fototrin’ny fanabeazana fa isika rehetra mihitsy na dia efa nankinina amin’ny mpanabe ihany aza ny ampahany.

Tsy tokony hifanilika andraikitra fa afaka mampianatra avokoa ny rehetra mahay mba hampandroso ny firenentsika hatrany fa tsy sanatria hifampitsikera am-pitoerana eto fotsiny

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire