Art contemporain : Zava-kanto mbola tsy misy famaritana mazava
Ny « Art contemporain » dia fitambarana zava-kanto (œuvre), « institution », onjan-javakanto (courants artistiques), fampiharana (pratiques artistiques contemporain). Maro ireo niezaka namaritra io zava-kanto iray io saingy mirakitra ny fe-potoana sy ny foto-kevitra fototr’io zava-kanto io izany.
Tsy endrika ny « art contemporain » fa foto-kevitra. Nisy ny namaritra azy ho fitambaran’ny zava-kanto rehetra nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’izao, tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo endrika sy fomba fanehoana izany rehetra fa indrindra ao amin’ny sokajy « arts plastiques ». Manoloana izany dia nandimby ny « art modern » (1850-1945) ny « art contemporain » ary hita taratra izany na eny amin’ny tranom-bakoka na eny amin’ny fampirantiana samihafa.
Misy kosa nefa ireo milaza fa ny « art contemporain » dia manondro ny zava-kanto nanomboka ny taona 1960. Nanamarika ny fiatoan’ny « art moderne » io « pop art » io raha ny fanazavana. Tamin’ny volana jolay 2010 dia nilaza ny talen’ny « Centre de Recherches de Philosophie Européenne de l’Université de Kingston » ao Londres, Peter Osborne hoe « l’Art Contemporain est post-Conceptuel ».
