ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary

Jiolahy miisa telo nikasa hangalatra tao amin’ny tsena mpamongady iray, tao Ambodivoara, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely no tratran’ny fokonolona teo ampanaovana ny asa ratsiny ny alin’ny 18 aprily teo. Jiolahy iray no lavo nandritra ny fifanenjehana raha tafatsoaka kosa ny roa, araka ny voalaza.

« Tokony tamin’ny 11 alina teo, efa tapaka avokoa ireo hidim-baravarana (cadenas) nanidy ny tsena,ary efa voasokatr’ireo olon-dratsy ny tsena. Teo no hitan’ny fokonolona ka nifanenjehana ireo mpangalatra. Tonga teo koa ny zandary nanampy » hoy ireo nanatri-maso ny zava-nisy.

« Rehefa raikitra ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy, niarahan’ny fokonolona sy ny zandary dia tratra ny iray tamin’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ny fitaovana fanaovan’izy ireo asa ratsy. Tafatsoaka kosa ny roa. Ity tratra ity moa nanohitra ka tafaporitsaka ka voatery nampiasa basy ireo mpitandro filaminana » hoy hatrany ny fanazavana.

Manentana hatrany moa ny avy amin’ny zandarimaria mba hiantso ara-potoana rehefa misy ny tranga toa izao ary hifanome tanana amin’ny fanenjehana ireo mpanao ratsy. Nanamafy kosa ny kaomandin’ny zandarimaria fa mitohy ny fikarohana ireo jiolahy roa hafa ary tsy ho afa-bela izy ireo na mitolo-batana.

Manitra R.

Laisser un commentaire