Anjeva : Miisa 12 ireo olona nisitraka ny hetsika fanomezana kopia sy karapanondrom-pirenena faobe tao amin’ny kaominina
Miisa 12 ireo olona nisitraka ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana (kopia) sy karapanondrom-pirenena, izay efa samy mihoatra ny 18 taona avokoa tao amin’ny kaominina Anjeva gara. Fokontany 7 amin’ireo fokontany 10 ao amin’ny kaominina, no nanana ireo olona ireo, raha ny voalaza.
« Ilaina indrindra amin’ny maha olom-pirenena ny fananana karapanondro sy ny sora-pahaterahana. Io no hahafahana misitraka sy mitondra ny anjara biriky amin’ireo zo, adidy sy andraikitra eo amin’ny toerana misy ny tena, indrindra ny firenena » hoy i Sarobidy, mpianatra momba ny lalàna.
« Mbola maro ireo tsy mahafantatra ny lanjan’ny fananana izany karatra maha olom-pirenena izany na ny asany sy ny fampiasana izany. Mila entanina ny olona, indrindra ampafahantarina azy ireo ny mahazava-debibe ny antony tokony hananan’izany sy ny fampiasana izany » hoy i Henri, raim-pianakaviana.
Anisan’ny sakana mahatonga ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny fanamboarana karatra sy sora-pahaterahana ny tsy fahafantarana, indrindra fa ny any amin’ireo kaominina ambanivohitra. Ilaina araka izany ny fanaovana fahampahafantarana mahakasika ny mahazava-dehibe ny fananana karatra sy ny sora-pahaterahana ahafahana mampandray andraikitra sy manetsika azy ireo.
Manitra Ramanantsoa
