Ambohimangakely: Notolorana kits scolaires avokoa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana baccalauréat
Notanterahana ny alarobia teo ny fizarana ny fitaovana (kits scolaires) ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana baccalauréat, amin’ny herinandro ambony io, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nahazo ny anjarany avokoa na ireo mpianatra avy amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana na tsia tao an-toerana, araka ny voalaza.
« Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo mpianatra rehetra teto amin’ny kaominina. Miisa 1200 ireo mpianatra nisitraka fitaovana enti-miatrika ny fanadinana. Ankoatra izay hanolotra fitaterana maimaim-poana ho azy ireo ihany koa ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Tena efa vonona tsara hiatrika ny fanadinana na somary misy tahotra sy tebiteby ihany aza rehefa mieritreritra be an’izay mety ho laza adina hitranga. Na izany, misaotra an’ireo tomponandraikitra amin’ny fanohanana sy fankaherezana fa tena zava-dehibe tokoa » hoy i Mialitiana, mpianatra.
Tafiditra ao anatin’ny hetsika ataon’ny kaominina ho fanohanana sy fampandrosoana ny fampianarana moa izao. Marihina fa niara-nanolotra izany ihany koa ny sefo ZAP roa tonta tao an-toerana.
Manitra R.
