France : Raim-pianakaviana iray no nanindrona antsy ny zanany 12 taona
Lehilahy iray no notsaraina tao amin’ny tribonalin’i Lille noho ny famonoany ny zanany 12 taona. Tao amin’ny trano fonenan’io fianakaviana io tao Ronchin no niseho ny tranga. Raha ny fanazavana dia nivoaka nilalao io zazavavy io sy ny zandriny ary tsy nody raha tsy tamin’ny 10 ora alina.
Tezitra mafy ilay raim-pianakaviana manoloana izany saingy mbola tsy nanaiky lembenana ihany ilay zazavavy. Nomeny ny tehamaina im-betsaka ity farany manoloana izany ary notsatohany ny antsy indroa teo amin’ny tongony. Raha ny tatitra dia nilaza io raim-pianakaviana io fa zanany io zazavavy io ary azony ataony aminy izay tiany.
Roa andro taorian’ny tranga kosa vao nentin’izy ireo tany amin’ny hopitaly ilay zazavavy .Tsy misy ahatahorana ny ainy saingy tsy afaka nihetsika nandritra 15 andro izy. Ilay raim-pianakaviana kosa dia voaheloka higadra telo taona an-tranomaizina izay heritaona sazy mihatra.
