Ambositra : Nahazo fanomezana ny departemantan’Imady Ala
Kaominina maro ao amin’ny Distrikan’Ambositra no nisitraka fanampiana avy amin’ny mpiaramiombonantoka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy.
Nahitana simenitra 55 lasaka, fantsika 10 kilao, fanitso 555 isasy cale tôles 500 isa ireto fanomezana ireto. « Niampy ronono 200, koba aina 200 fonosana, rano amin’ny tavoahangy 896 litatra ary menaka 100 litatra kosa ho an’ireo Kaominina 6 ao Zafimaniry » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. « Nisy ihany koa ny tolo-tanana nomena ny Radio Maria. Fandraisana anjara amin’ny fanarenana ny simba noho ny rivo-doza ireto natao ireto » hoy ny Ministra Baomiavotse Vahinala Raharinirina.
Velom-bolo tokoa ireto ireto mponina raha nahazo ny fanampiana. Hery lehibe tokoa ny fifanohanana manoloana izao voina izao.
Nicole Rafalimananjara
