France : Niantso vavolombelona ireo zandary tao Toulon noho ny tsy fahitana tovovay iray
Tsy nandrenesam-baovao intsony i Manon ny 16 septambra tao Var. Nitsaoka ny trano fonenany tao Toulon ity tovovav 16 taona ity raha ny fanazavana ka nanao antso avo tao amin’ny tamba-jotra sosialy ireo zandary tao an-toerana mba hijoro vavolombelona ny amin’izany. Tsy nitondra na inona na inona ankoatra ny findainy kosa izy niala tao an-trano ary ahihiana nitsaoka niaraka tamin’ny olotiany, 20 taona. Nisy nahita niaraka tamin’io tovolahy io tao anaty fiara Renault Clio fotsy izy raha ny fanazavana.
