ActualitésTatitra

Fantatrao ve fa misy litera faha 27 ?

Litera 26 no fahita matetika, miantomboka amin’ny A hatramin’ny Z. Nisy litera faha 27 nefa tany alohan’ny taon-jato faha 19. Famantarana typografika izy raha ny marimarina kokoa ary antsoina hoe « esperluette » na « & ». « ète » no famakiana azy amin’ny fiteny mahazatra. Fampifamatorana ny litera E sy T izy ka navakiana hoe « et » (et=sy) ary lasa nampiasaina tamin’ny fifanohizana zavatra roa izy. Ny « etc » na sns izao dia azo soratana hoe « &c » ihany koa.I Marcus Tullius Tiro no namorona io litera io « logogramme » io raha ny fanazavana ary efa tany amin’ny taon-jato iray talohan’i Jesoa Kristy izy no nisy. Ny teny anglisy kosa no tena ampiasaina azy ankehitriny ary nanafohizana ny fifanohizana izy, toy ny hoe « M. & Mme ».

Laisser un commentaire